Epistola Fahatelon'i Md. Joany
Toko voalohany
5 Ry malala, tsara tokoa ny ataonao rehetra amin'ny rahalahy, fa indrindra amin'ireo vahiny;6 ka nambaran'izy ireo teo anatrehan'ny Eglizy ny fitiavanao namana. Ary tsara raha mamatsy azy araka ny mendrika an'Andriamanitra hianao, amin'ny fandehanan'izy ireo; 7 fa ho voninahitry ny Anarany no nandehanan'izy ireo, ka tsy nandray na inona na inona tamin'ny jentily izy. 8 Tsy maintsy manohana ny olona toy ireny isika, mba ho mpiara-miasa aminy amin'ny fahamarinana.